<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Lohasahan-dranomaso FFPM578</title>
<lyrics>[V1]
 Lohasahan-dranomaso
 Izao fiainantsika izao,
 Ka misento lalandava
 Izay rehetra velona ao ;
 Koa aiza re no misy
 Hampionona ny fo ?
 Iza no mahay mamonjy
 Hampisava ny manjo ?

[V2]
 Manatòna ilay Mpamonjy,
 Ry sakaiza ory ô !
 Ka aza mba misalasala,
 Mandrosoa hianao ;
 Famonjena mahatoky
 Tsy miova no anao,
 Raha manana an'i Kristy
 Ho fanala-tahotrao.

[V3]
 Vola sy harena an-tany
 Mety tsy hanananao ;
 Havana, sakaiza koa
 Dia hisaraka aminao ;
 Nefa Jeso no anjara
 Tsy alaina aminao ;
 Izy no sakaiza tsara
 Izay nanavotra aina anao.</lyrics>
<hymn_number>578</hymn_number>
</song>